You are here: home > Vetso

MBOLA HISAVA - ikaloyna

Azo vakiana?

'Reo sentonao mangina
anaty takariva,
irery, lavi-tiana,
tsy vatranao ho sary,
nafeninao an-tsoratra.
'Reo tabataba anaty,
anaty sasakalina,
tsy misy mahalala,
tsy misy koa mandre,
tsy vitanao ho hira.
'Reo ranomasonao
fihinina fa latsaka
mamonto itony tava,
tsy misy izay mamafa :
inoy fa mbola hisava !

Ikaloyna Vony
17/04/15

Sokajy : fananarana, fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ikaloyna

Nampiditra : vonynive
Daty : 21/04/2015
Mpamangy : 799
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Mamin'ity peniko
NY ANDROKO
ANY HO ANY
VOLANTSIKA
NOFINOFY IHANY
MISY "AHY ANAO"
TSIARO
INY ZAZA INY
ORANA
EZAKA