You are here: home > Vetso

ANY HO ANY - ikaloyna


Ny saiko mankany
tsy mety hitoetra
(ny foko eto ihany)
manao amboletra
misidina any
tsy fantatra " ho aiza ? "
- mankany mankany ...

Tsia !
Ny foko tsy eto,
fa, lasanao any :
ianao ilay tsy hitany
kanefa dia tiany,
tinadiny hatraiza,
tsy hainy " nahoana ? "
tiany eny foana.

Ny saiko mankany,
ny foko tsy eto,
izaho ento any !
Honi-mazana
an-drahona irony
tamana tamana,
tamana any ho any ...

Ikaloyna Vony
30/05/15

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ikaloyna

Nampiditra : vonynive
Daty : 01/06/2015
Mpamangy : 960
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Mamin'ity peniko
NY ANDROKO
MBOLA HISAVA
VOLANTSIKA
NOFINOFY IHANY
MISY "AHY ANAO"
TSIARO
INY ZAZA INY
ORANA
EZAKA