You are here: home > Vetso

TSIARO - ikaloyna

Azo vakiana?

Najarinao lavenona
ireo sombin-tsoratsorany
hany sisa rakiny

Dia nofoananao koa
ireo mba sarintsariny
tanaty farahafany

Fantatrao anefa
fa tsy hainao novonoina
ny fahatsiarovana azy :
teny Ambohitsorohitra
nihazo Ambohipotsy
nipaka teny Anosy

Fa mbola hovelominy
anaty tononkirany
ireo vetsonao fahiny,
maika hiambozonany
an-tratrany tsy tony
ilay rojonao tsy foiny ;
fa nafatony amin'ny azy

Koa hotehiriziny
an'habakabaka eny
ny tsiambaratelonao ;
fa eny mantsy hono :
lavitra ny lo.

Ikaloyna Vony
.. dec 2014

Sokajy : Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ikaloyna

Nampiditra : vonynive
Daty : 11/03/2015
Mpamangy : 790
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Mamin'ity peniko
NY ANDROKO
ANY HO ANY
MBOLA HISAVA
VOLANTSIKA
NOFINOFY IHANY
MISY "AHY ANAO"
INY ZAZA INY
ORANA
EZAKA