ORANA (ikaloyna)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ORANAOrana mandrotsy
ny mafy fanorenana
sy tsara bodofotsy :
mandry fahalemana
Fa oran-tebitebin'
ny ory sy mahantra :
sahirana mieby
ny riaka tsy mpiantra.
Dia ora-mahamanina
ny saraka ny tiana.
Ny fo no valalanina
fa izy tsy mangina
Ikaloyna
16/12/14
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo - fiainana