You are here: home > Vetso

NY ANDROKO - ikaloyna

Azo vakiana?

NY ANDROKO

Maizin-tsy hariva ny androko eto,
ny tany hitodiako tsy tazako hatreto.
Ny lalan-kodiaviko lavitra loatra ...
Tsy afa-mihoatra
irony dongo-miavosa
ity elatro kely,
ity elatro osa,
toa ravi-manjeny
atopan-tafiotra :
mivezika atsy,
mironjona aroa,
tsy fantatro ho aiza ? ,
tsy haiko mazava
hatramin'izao ...

Maizin-tsy hariva ny androko eto,
maizina antoandro ka lasa ny sento.

Ikaloyna Vony
17/09/15

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ikaloyna

Nampiditra : vonynive
Daty : 07/10/2015
Mpamangy : 799
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Mamin'ity peniko
ANY HO ANY
MBOLA HISAVA
VOLANTSIKA
NOFINOFY IHANY
MISY "AHY ANAO"
TSIARO
INY ZAZA INY
ORANA
EZAKA