21 avril 2018 (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
21 Avril 2018

Kikiakin'olo-maro be
Izany indray re no re
Tabatabata sy korontana
Fa mitady fanavontana

Ireto vahoaka malagasy
Ka nampiasana ireo basy
Ka ny baomba mandatsa-dranomaso
Nampitomany ireto maso

Mba hanamparitahana ny olona
Indrindra indrindra ireo mpitolona
Olona efatra anefa no maty
Maro ireo naratra mafy
Voatifitry ny bala
Teo dia tsy afa-niala

Tsy nijanona hatreo
Fa niroso ihany ry zareo
Izay nirongatra tsy tana
Nihazo ny lapan'ny tanĂ na

Nandoro kodiarana sy fiara
Ireo mpomban'ny TIM sy MAPAR
Ka tsy voatohan'ny mpitandro filaminana
Ka vaky ilay vavahady hidirana

Orakoraka sy hafaliana
Kanefa alahelo sy tomany
Mba tojo tanjona niriana
Ny maty indray nampitomany

Izany re no zava-nitranga
Mbola tsisy aloha voampanga
Fa mitohy ihany hono ny tolona
Hataon'ireto fokon'olona
Mpitolona
--------
Rohy:
793 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0484