Satry foana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satry foana

Satry foana re ry aiko
Satry foana ho lazaiko
Holazaiko foana anao
Eny, Tena tiako ianao
Toa tsy reraka ity vavako
Manambara izany fitiavako
Satry foana ho tenenina
Satry foana averimberina

Satry foana re ry tiako
Satry foana anilanao
Amin'andro fahoriako
Ary koa ny fifaliako
Satry foana ho eo ianao
Satry foana tsy ho lao
Satry foana tsy hifandao

Satry foana ry malalako
Satry foana re hiaraka
Izay lalanao dia lalako
Satry foana hifanaraka
Satry foana hifanjohy
Eny, na aiza na aiza aleha
Satry foana tsy hifamoy
Satria foana hiara-dia re

Satry foana re ry tiana
Satry foana hifanolotra
Ireo tsy lany hamamiana
Indrindra anie ireo molotra
Satry foana mba hitohy
Satry foana hifanjohy
Satry foana hiara-dia
Hifanolotra fitia
Eny, Ho doria doria
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
676 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169