Nandalo teto izy (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(Ho fampaherezana ireo tovovavy navela niady irery)
Nandalo teto izy
Nitrotro zazakely
Tombanana nahantra
Toy ny nioty manta
Ny anjaram-pahasambarany
Namitaka ny lalany

Nandalo teto izy!
Ts'isy sori-tsiky akory
Na feo mba niloaka
Fa niezaka nandroaka
Ny ngidy tany anatiny...
Ny lasany tsy tantiny

Nandalo teto izy
Toy ny hoe namoy fo
Toy ny olo-malahelo
Toy ny mibaby helo
Feno ratra ny fony
Sady menatra ny any Ambony

Nandalo teto izy
Nahonena ny mahita
Ny ranomasony nilatsaka
Miady irery fa solafaka
Te-hanenina ny vitany
Te-hanozona ny ditrany!

NANDALO TETO IZY

Hay izaho no tsy nahita
Ny tena endriny sy bika
Fa tsy nisy alahelo akory
Na fiainanan'olon'ory
Vinaky teny an-tavany
Na naloaky ny vavany!

Fa raha nandalo teto izy
Dia hitako fa nisy
Hasambarana tsy mety dify
Nitoetra teo am-pofoany
Nampianatra ny hasoany

Ary raha nandalo teto izy
Ny ranomasony nilatsaka
No hafaliany nikatsaka
Ny fahendren'ny Mpandahatra!
Ny fahoriany nitsahatra!

Raha nandalo teto izy
Tsy nanenenany ny lasa
Hoe soloana zavatra hafa
Fa ny zazakely nampofoiny
No hasambarana tsy foiny!

andriary!
--------
Rohy:
1125 4
Mpakafy: Arimalala - monina - nanaina - andriary
Hevitra mandeha
monina ( 18/02/2005 13:17)
Indrisy!!!tsy hitako izay hambara fa mampihetsim-po...mampalahelo amin'ny voaloany nefa mampitsiky amin'ny farany!
Malalason ( 19/02/2005 15:58)
zany an! misatra an'se ny andriambavilanitra rehetra eny na izaho aza tsy hanenina ny lasa ...eny ny lasa
SOBIKA ( 24/02/2006 11:04)
nandalo teto aho nahatsairo fa any ho any misy miombona tomany sy miombitseto amiko hatrany.
misaotra anao mitondra hery; ho anireo navela irery
misaintsaina lalina fa hoe miady irery....
tsy ho kivy izy ireo fa kosa hiady ho mba ho anilay ampofoiny tsy hiverenan izany intsony ary hampiononona ny fony
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 18/02/2005 13:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146