You are here: home > Vetso

Tany rava - andriary

Azo vakiana?

Ny rivotra nifofo,
Narahin-drohimemy
Anaty safotr'afo ,
Ny fiainany hotohoto
Mongomongo fa malemy
...ho vidina lafo!

Ny tselatra niriatra
Narahim-baratra nilatsaka
Teny ambony vatolampiny.
Ny tanety ndreo fa triatra
Mangadihady sasaka
Manangana ny sari-sampiny

Ny tanana fandalovany
Haolohaolo disadisa
Tsy maha-te hizaha intsony!
Fa inona no hotsarovany
Tavela hany sisa,
Voatahiry ao am-pony?


Ravarava koa ny fony,
Triatra sy mitresatresaka
Toa tsy ahazaka intsony
Ny fitsapana toa mavesatra

Nefa mbola iny ihany
Mbola vonona hiarina!
Na dia efa trotraka aza
Tsy ilaina ny tomany
Fa nitafy fiaina-marina:
Tsy maintsy atsangana ny rava!

andriary









Sokajy : Alahelo

Hevitra mandeha

IDEALY (02/02/2006 16:34:17)

tohizo fa tsara

soari25 (06/02/2006 06:18:48)

tohizo hatrany e!
mankasitraka!

Hametraka hevitra

Midira aloha