You are here: home > Vetso

Embona masiaka - andriary

Azo vakiana?

Misy jery mankafy
Mitazana eny lavitra eny
Ny tombantomban'endrikao
Jery ampoka fitia
Fa mangina tsy miteny,
Angamba babo tsotr'izao!

Misy embona tsy tana,
Te-hiampoka mangina
Topi-maso kely fotsiny!
Arahin-tsiky sy hafanana
Ka ny sombim-paniriana
Ny hanimbolo zany fofony.

Misy tsiaro iray monja,
Maminany tora-pasika
Somambisamby any an-tsiraka.
Njao tsaroako fa manonja
Anatiko any miasikasika
Mivezivezy toy ny firaka!

Misy fo sahy mitempo
Mivolon-ko anao sahady,
"Foko tia" mahery setra.
Ka tsiahy indray misento
Sahy mamohafoha ady...
Mihamahery ts'isy fetra.

andriary


Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

fiaritiana (01/02/2006 16:15:42)

tiako be lé tononankalo!tsara be

Mandefitra (02/02/2006 11:29:21)

tsara tokoa

IDEALY (02/02/2006 16:30:06)

ary mazoto mamorona tononkalo an

soari25 (06/02/2006 06:22:22)

dia tena tsisy fetra tokoa ve izany ?

Hametraka hevitra

Midira aloha