....nifandamoro (andriary)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny amoron'ny Kamory,no nandrombahanao ny fonyEny lasanao tokoa,tsy an'olon-kafa intsony
Dia nosoratanao teo, ny anaranao sy ny azy
Voady tototra fitia,tsy aman' antoka na sazy...
Raha fitia nifanolorana,tsy nisy kilalaon'afo...
Sy manaja reo dina tsy hifangaro safosafo
Dia azo antoka fa hisy,hasambarana hitoetra
Fa tsy ho mendrika azy akoryanie,ny fitia mahery setra
.....
Na ny onjan-dohataona,na ny alin-dririnina
Tsy hamafa ny efa lasa,fa tsy maintsy nofihinina
hatrany anatinao,hisy vato iray handoro
Nanamontsana hasambarana,satria 'nareo nifandamoro!
andriary
(15/09/04)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hevitra mandeha

kennikeli
(
18/05/2006 12:46)
ao tsara

saharoy
(
19/05/2006 05:31)
Lalina izany.Eny tsy ho adino velively ny fitiavana matsiro toy izany.Tsy homeko tsiny ianao.

soari25
(
19/05/2006 11:04)
tsy misy kianina e ! mazotoa foana

artinahani
(
03/05/2013 10:39)
resy lahatra ny mpamaky!toy ny teny "amoronon'ny kamory"!mazotoa hatrany manoratyra e!

andry 1000
(
25/04/2015 09:51)
ahatsiarovako an'ilay takariva kely tery amoron-kady ity tononkalo ity (hiran'i andrianary ratianarivo)