MPANKAFY - andriary
Azo vakiana?
Izaho mankafy ny tonokalo nosoratany
tsy fantatro ny antony
tsy fantatro ny dikany
Fa taratro avokoa,lay mamy any anatiny
fantatro ny kantony
hitako ny bikany!
Izaho mankafy;ka maniry eny fotsiny
ny lalana nodiaviny
ka tiako ho lalovana!
satriko hifanena,hanofisako ny nofiny
inoako fa tsy ho laviny!
raha ataoko ho fahatsiarovana!
Izaho mankafy,lay tsikiny mambabo hatrany!
miantso ahy hitsiky koa,
hatrany anatiko any!
Ny famindrany milaika,te-hitondra teny mamy
toa tsy manam-panam-paharoa
toa tokana aman-tany
Izaho mankafy,ny tontolony rehetra
raha mety ho tontoloko
na raha azoko indramina
havadika fitia,vonona hisedra!
dia hiraiko eo imolotro
ho kalon'olo-manina!
Izaho mankafy,ny hanoratra any am-pony!
faniriana mieloelo!
te-hiamoka fitia
mba ho tsimoka sy felana,handravina sy hamony!
zary tsiambaratelo!
Dia izy koa ho mpankafy....
andriary!
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriaryDaty : 19/05/2006
Mpamangy : 1008
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TASIN-DRINDRINANOVONOINY FA TSY MATY
Taniko...sy tomaniko
ROTIKA
....nifandamoro
MPAHARY MATIHANINA
Tsiahy lalina
Tany rava
Embona masiaka
TSIAHY MAMATONALINA