Ampidiro aloha ny tenimiafina
NOVONOINY FA TSY MATY (andriary)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Novonoiny tsy matyFitiavana tanatinao
Nofofoina hatrany anaty
Vao maika nisy faka sy felana namony
Nidoroboka nandravina , nijoro sady tony.
Novonoiny tsy ho hita
Ny ota tany anatiny
Noheveriny fa vita
Kanefa lasa afo , handoro ny eritreriny
Hankary azy , ny nenina sy feriny
Novoiny ho levona
Ny heloka nataony
Vao maika nampievona
Ny fofon'ny lavenona narahim-panenenana
Ka na izao tontolo izao tsy azony iafenana
Novonoiny ka tsy maty
Andriary
nosoratako ho an i artinahani
15/05/2013
16h00
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana
Mpakafy:
artinahani
Hevitra mandeha
artinahani
(
16/05/2013 11:01)
tsy manankambara ny tenako!mankasitraka indrindra re!
