Taniko...sy tomaniko - andriary
Azo vakiana?
Iny tendrombohitra iny ngazana
hatrany am-para-tazana
ts'isy hazo mba maniry
ny kirihitra tsy hita firy
fa tany karakaina
Io mamelatra ny maina!
Ny riandranom-batolampy
miharitra sady tsy ampy
ny renirano aman'ony
toa tsy hikoriana intsony
fa vodivona dongo sisa
samy koka sy efa tritra
Itsy lohasaha indray
dia lasa tany hay
nodorana tsy aman-tahotra
tsy an'eritreritra nihaotra
tsy hamokatra intsony
tsy hisy felana hamony
Dia indreny ny tanety
afo foana no manety
mandavenona ny hakantony
ts'isy ahoana ts'isy antony
ndreo ny setroky ny taniko
manambara ny tomaniko
dia mba ho aiza reto biby
tsy afaka ny hisafidy
zay tany hiorenany
ndreo kila ny fonenany
sanatria ho lany ringana
tsy ahitana tamingana
Ny tokon'ala hany sisa
nahanjaina sy nanjifa
dia ny ala tatsinanana
tsy mba nisy fisakanana
naondrana an-tsokosoko
o!ny hatezerako te-hioko!
Ny tanimbary nototofana
hany sisa nilofosana
dia ny tany hambolena
Io lasa tany mena
hatsatoka aiza re ny angady
fa ny taniko io mangadihady
andriary
Hevitra mandeha
andry 1000 (25/04/2015 09:45:24)
siora mintsy fa tafita le hafatra, arovy ny tontolo
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriaryDaty : 10/10/2010
Mpamangy : 1049
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TASIN-DRINDRINANOVONOINY FA TSY MATY
ROTIKA
MPANKAFY
....nifandamoro
MPAHARY MATIHANINA
Tsiahy lalina
Tany rava
Embona masiaka
TSIAHY MAMATONALINA