MPAHARY MATIHANINA - andriary
Azo vakiana?
Raha vao nahita anao nandalo sy niserana
Nandravak'iny lalan'iny mitombam-panaperana
Nahoana no tsy hiontana ny ato anatiko rehetra
Fa ny hatsarana nentinao satriko tsy hanam-petra!!
Ny bikanao indray mijery dia ny lafatr' aok'izany
Na tsy misy ny tanteraka azo indramina eto an-tany
Dia manambara ny hakanton'ny mpahary izay namorona
Tafaombina aminao ,reo kanto mitangorona!
Ny endrikao tsy misy fitaka raha jerena ety ivelany
tontolo feno fiadanana no sarin-kafatra avelany
angamba hatrany anatinao misy tara-pahazavana
misy fo feno tsetra mitahiry hafanana!
Ny tsiky izay natolotrao moa tsy tokana aman-tany
mitosaka eo imolotrao sy mitondra teny mamy
zato nifinao botsiaka noravahan'ny fandainga
ny fahatsoranao ambarany inoako fa tsy misy lainga
Ny tontolom-piainanao dia tontolo tonga lafatra
Misy hery sy fitiavana,hazavana miparasaka
satriko ho hita foana ,fa raha tsy hita mahamanina
Isaorako ny Andriamanitrao,fa Mpahary matihanina
andriary
( 2004 lohataona )
Hevitra mandeha
pissoa (08/02/2006 15:57:47)
SOBIKA (04/03/2006 05:18:51)
soari25 (19/05/2006 09:10:01)
zonia (22/12/2011 14:40:01)
Misaotra e! Tena lohataona marina t@ io fotoana, hany ka vokatra be ny aingampanahin'i Andriary.
artinahani (06/05/2013 12:21:09)
lafatra e!tsy mahateny ny mpamaky!feno tanteraka ny tian'i Andriary ambara!mampahery hanohy hatrany!
ny mpankafy
artinahani (06/05/2013 12:33:10)
lafatra e!tsy mahateny ny mpamaky!feno tanteraka ny tian'i Andriary ambara!mampahery hanohy hatrany!
ny mpankafy
Mombamomba
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriaryDaty : 08/02/2006
Mpamangy : 1381
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
TASIN-DRINDRINANOVONOINY FA TSY MATY
Taniko...sy tomaniko
ROTIKA
MPANKAFY
....nifandamoro
Tsiahy lalina
Tany rava
Embona masiaka
TSIAHY MAMATONALINA