TASIN-DRINDRINA (andriary)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
( Fetin'ny reny hoy ianao ! misy fo maratra sy mitomany any ho any ,....dia ireo tsy manana)


Ny sorasora-drindrina
Nisy ny anaranao , vinaky teny ho eny
Dia mariky ny banga ,
Ao anatinao , f'ireny no miteny

Eritreritrao mitady azy
Hatrany anaty nofy , mba hampisy ny fisiany
Satrinao hiantsoantso
Miverena hiampofo , hitrotro 'ty tsy manan-tsiny.

Ny tranon'ny kamboty
Lasa ankaninao , tsy nanome anao akory
Tontolom-pifaniana
Mba hanadinoana ny lasa , fa vao maika nampahory

Raha nataonao ny sariny
Am-penina sy taratasy , narahin-tsento lalina
Dia variana ianao nibanjina,
Dia tsy fantatrao intsony , ny atoandro sy ny alina

Ny tsy mahalala anao
Dia manesoeso eny , ka mahavatra teny ratsy
Ratram-po tsy hay tohaina
Indrisy fa tsy mahafantatra , ny fiainanao feno tasy

Ny mahafantatra indray
Namana tsy mahafoy , dia miezaka hampitraka
Fa miserana ihany,
Ka tsy mahafeno akory , ny banga efa lalim-paka


Raha teo am-baravaran-kely
No nitazananao ny kintana , nibanjinanao ny lanitra
Satrinao tsy niala teo
Mba hamantaranao ny aminy ,hanontany an'Andriamanitra

Ny sorasora-drindrina
Nanoratanao ny anarany , lay nianaranao niteny
Dia taratry ny hafatra
Mahery setra anatinao , hoe miverena re ry Neny!
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1545 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 21/05/2013 10:38
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153