You are here: home > Vetso

TSIAHY MAMATONALINA - andriary

TSIAHY MAMATONALINA

Alina mamirifiry
Arahin-tsiahy mamatonalina
Torimaso ts'isy firy
Nofohazin-tsento lalina!
Mitamberina ny lasa ,
Mamangy 'ty kambotiny
Tsy nandeha tany an-kafa
Mampahatsiaro indray ny fofony.

Alina mangina
Alina mitsiahy
Reo rongom-pijalinan'
Ny  fangoloka fanahy
Ka namoha indray ny feriny
Nanolatra taloha
Ny tsiahy sy ny heriny
Hay mbola ao am-po.

Ali-mangatsiaka
Misangisangy ritsoka
Reo tantaran-tsika
Nandratra sy naditsoka
Satriko ho fafana ,
Reo tsiahy mampahory
Ny foko mila hafanana
Avelao aho hatory

ANDRIARY

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

akamatiana (23/01/2006 17:36:48)

Tsara be!!

fiaritiana (24/01/2006 18:54:58)

tsara be ry andriary a!ny alina tokoa no mitamberina ny zava drehetra sady rehefa tratrany enao dé tsy hampatoriany!
mahereza e!

toetra (24/01/2006 20:55:29)

Ny alina mitondra fisainana ry Andriary.
Tsara fa tohizo => 5

andriary (30/01/2006 14:39:47)

isaorako anao namaky!aingam-panahy ka aingam-panahy ihany!

Malalason (31/01/2006 11:48:12)

mila fanefitra haingana dia haingana, hafanana sy korana mba tsy ho alina mangina...ny odiny? "olon-tiana"

hihihi mahereza

andry 1000 (25/04/2015 10:02:52)

mahay nareo kah! tena lafatra sy kanto le tononkalo a! lasa mpakafy e!

Hametraka hevitra

Midira aloha