You are here: home > Vetso

Halaviro ny fitiava-tena, - havotraniaina


Halaviro ny fitiava-tena,
Ny vola,ary koa ny harena,
Fa ireny no mampihenahena,
Mitondra fahalemena.

    Hatraiza ny fahendrena,
    Very hasina ny firenena,
    Fa isika no miaina,
    Samy tia tena.

Ny fitiava-tena no mitoetra,
Tsy mahagaga raha mandroretra,
Tsy mba manana tarigetra,
Fa samy variana miletra.

    Ny fitiavam-bola no manjaka,
    Tsy mahagaga raha mahazo laka,
    Fa mihevitra ho mpanjaka,
    Izato toetra manjakazaka.

Koa mihevera ry manam-panahy,
Mihevera tsara izao,
Fa izao no teny ry rahalahy,
Aza hadino ny maha mpirahalahy.

    Koa,Hatraiza ny fihavanana,
    Moa,tsy tanakavia sy havanana,
    Izay manjo,hiaraha-manana,
    Na ory ianao,na manana.

Ny fahendrena raiso ho namana,
Ny firaisan-kina no enti-manana,
Ny fitiavana omena raha manana,
Ny Finoana hampio ho fananana.

    (Mpanoratra:Havotra Niaina)

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : havotraniaina


Nampiditra : havotraniaina
Daty : 06/03/2018
Mpamangy : 222
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Sento tokana,heritrereto,
Ity fiainana ity lazaiko

Hametraka hevitra

Midira aloha