You are here: home > Vetso

Ry zanako - Karako

Ianao ry zanako,
Na tiako tahaky ny inona
Satriko ho fihinina...
Tsy hiala eo an-tratra
Zary ho maratra
        Tsy maintsy avotsitro ihany
        - Na dia mafy izany
Hahay hamindra irery
Izaho anefa hijery
Hanara-maso anao
Eo fa tsy handao.

Ianao ry zanako,
Na tiako ho tantanana
Sy tiako ho fahanana
Ka izaho no hibaiko
Sy hanjadona izay haiko
        Tsy maintsy alefako ihany
       - Na dia mafy izany
Hianatra hanidina
Iriko tsy hitsingidina
Hijery ny any ho any
Fa mody eto akany

Ianao ry zanako,
Dia tiako ho toa ahy
Hiaina amin’ny fanahy
Ho leon’ny karenjy
Tsy ho mpivenivenjy
        Tsy maintsy ivavahako
       - Tiako anie ny zanako
Hahita ilay “Lalana”,
“Andrian’ny fiadanana”
Ny zanako voafidy,
Ianao dia sarobidy!

Karako
2018-06-18

Mombamomba

Mpanoratra : Karako


Nampiditra : karako
Daty : 20/06/2018
Mpamangy : 580
Mankafy : 2
Ankafizo

Tononkalo hafa

Tsy irery ianao
Lavitra...
Tsikotsiko
Laolao teny
Rehefa aty Andafy

Hevitra mandeha

voatsinampy (25/07/2018 11:06:14)

mampihetsi-po, hoventesiko io rehefa ho avy ny fotoana amoahako ny zanako vavy ato an-tokatranonay

karako (25/07/2018 21:20:04)

Mankasitraka e! :-)

Hametraka hevitra

Midira aloha