Rehefa aty Andafy - Karako
ikalamako
Izaho aty ry Neny...
ka mandeha miantsena,
Mividy anana sy hena...
Tsy eo intsony i Soa
...Hay tokoa moa !
Izaho aty ry Neny...
ka manasa lamba,
mipasoka tsy mihamba
fa tsisy "Jacqueline":
voasolon’ny masinina.
Izaho aty ry Neny...
manatitra ireo zaza
na d'efa reraka aza
Fa tsy aty i Velo
‘bakoina hoe "Atero !"
Izaho aty ry Neny...
ka mandray angady
Fa tsisy asa fady :
tsy eo anie Rakoto
ho iraka sy boto.
Izaho aty ry Neny...
Manapaka kitay
Tsisy hoe tsy hay
Fa dia izaho ihany
No manao izany !
Izaho aty ry Neny...
mianatra mandrafitra
miasa fa finaritra
Tsy miandry "tanana"
mikoja izay ananana.
Izaho aty ry Neny...
Manao ny rehetra rehetra
Voatery miova toetra:
Tsy miankina amin'olona
Nefa tsy miolonolona !
Karako
Canada - 2013-08-07
Hevitra mandeha
Vanilia (22/11/2015 21:53:55)
andriamanampisoa nomenjanahary nicolas (13/12/2015 06:21:17)
Mombamomba
Mpanoratra : Karako

Nampiditra : karako
Daty : 07/08/2013
Mpamangy : 3137
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
Jesoa no manirakaTohy
Isaina
Lova tsara
Masina ny firenena
Tsy irery ianao
Ry zanako
Lavitra...
Tsikotsiko
Laolao teny