Rahafaliana (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana no mody sahady Rahafaliana?
-Tsy zaka ny todim-pitia, mety mamonjy akany.
Fa tsy tohitra angaha Rafahoriana?
-Sanatria, tsy vatrako fotsiny ny hahita azy hitomany!

Raha tsy mahadiso, aiza kay ny domoina?
-Indrisy fa niova ho bolokim-bazaha.
Ka inona no andrasana fa tsy ndao vonoina?
-Ny fahadalàna, hono tsy tokony entina mirehareha.

Ka hanaiky resy tsy miady ary ve isika?
-Tsy resy tsy akory fa mody mangina.
Izany ve tsy manome azy ny laka?
-Hitady ahy ihany izy rehefa any aoriana.

Rehefa voadona, sy mibaby kitra?
-Raisiko foana fa nody ny sainy.
Hanambitamby ny mbola maditra?
-Ka ho aiza ary izy rehefa maratra, tsy maintsy mody eto anilako ihany.

Rahafaliana, sao ho diso tetika marina?
-Ovay ny fijery, hakaro ny fanantenana.
Hikotrika atody izay tsy an'ny tena ?
-Fitiavana izany ka hataoko ahoana.

Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
935 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0309