RIVO-PAHAFATESANA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RIVO-PAHAFATESANA...

Miara-miombon'alahelo izao tontolo izao
fa lasana tsy tana ilay tiana sy lalaina,
anivom-pahoriana ao an'efitra ao!
miara-mitomany fa namoy sombiniaina,

sombin-hazavana indray nandeha niserana
no tinazan'ny mason'ity zaza mena vava,
ny rivo-pahafatesana tsy azon'iza noferana
fa tonga dia nandrava...nanamaloka ny tava,

Atsy ambadika atsy...voron-kely iray mikalo,
mivetso hiram-paharesena anaty ranomaso!
ety an-tanako ety...penina manoratra ampahan-tononkalo
nohon'ny aingam-pahoriana nateraky ny ankaso,

Ao an-tokontany ao...voninkazo iray malazo,
mitolefika mangina lavitry ny hanitra...
ery am-body tamboho... tanora maro mivazo
milaza an'alahelo f'izay no sitrak'Andriamanitra,

fa ao an-trano ao mitoloko sy misaona...
fa lasana tsy tana ilay tiany sy lalainy,
ny rainy sy ny reniny manantena mbola hiaona
manantena ny fiverenan'izato sombiniainy,

eny...Mandriam-piadanana!
ry zaza mena-vava
f'izay no anjara,sahaza!

JODA RAZAKASOA
2017
--------
Rohy:
864 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016