3P………..…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
3P………..…!
Indrisy ry tiako fa, novahanao ny fatorantsika,
nofoananao ‘lay hafanana, ka zary hatsiaka,
notinapahanao ny tady, hifandraisan’ny fo,
dia rava tokoa manko, ny antsika roa.

Nahoana anefa, no nataonao ankolaka?
Dia lefona ivoho, no ninianao natoraka,
ka ny fihetsikao, no nanamarika izany,
rahoviana anefa, vao tsy hisy tomany?

Nampirafy ianao, ka nihevitra ahy ho doma,
tsy niteny aho, asa! Noheverinao ho moana,
dia nohitsakitsahinao, irony voady natao,
ka nahoana moa no, tsy hiafara toy izao?

Paiso aho hoy ianao, ka tsy mamakafaka,
sa kosa hoe paoma, ka mora ho voambaka?
Ka hanaiky fotsiny, izay ambaranao,
dia hanaovanao, izay tianao hatao.

Poara kosa angamba e! Dia mora fetsena,
azo ambakaina, sy mora terena,
dondrona mihitsy, no niheverana ahy,
ka azo ampiesonina, hatramin’ny aty fanahy.

Paiso, paoma, poara, izany ve aho?
Sa inona kosa ary ny fiheveranao?
Hazo mijoro, ka mizaka ny tsy efa,
tsy tantiko intsony, ity ianao misetra.
RRAG
11 Mey 2018
--------
Rohy:
751 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02