IZANY VADY IZANY… - RRAG
Azo vakiana?
IZANY VADY IZANY…
Tsy akory sanatria, ny fototenim-bady
Lazaina foana ho ady…
Ny vady mantsy hono, fatoran-toy ny tady,
tsy rojom-bavahady,
fa aina fenon’ny aina, famenon’izay banga.
Ny vady samy manja!
Ny vady koa fanaja, fizaràn-tsiambaratelo,
ny vady no endrik’elo,
fialok’oran-dava, fialofana hafanana,
raha tojo mahatamana!
Izany vady izany ih? Tsy iza f’iray ihany,
‘lay tsy mampitomany!
Nefa raha sendra izany, milefitra avy hatrany,
avy eo manambitamby!
Izany vady izany, tsy handrava fihavanana,
fa foto-piadanana!
Mahay mandrindra tsara, ny teny aloa-bava,
tsy maika hitabataba!
Izany vady izany, fitaratra amin’ny toetra,
tsy tia misetrasetra!
Izany vady izany, tsy isan’ny fananana,
no hokasihan-tanana.
Fa aina sombin’ny aina, mitoetra ao am-po,
iray fa ankiroa.
Ny vady dia tsy iza, fa ‘lay mahay mandamina,
ny saina tsy milamina!
Izany vady izany, no rivo-mampitony
ny fo tsy mety tony.
Izany vady izany ih? Anjara tsy midify,
ka tojo izay tandrify!
RRAG
23 Jona 2022
Mombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 23/06/2022
Mpamangy : 48
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
EO...! (19 Janoary 2022)IZAHO...! (25 Febroary 2022)
KOA RAHA TSY MITAPY…
INDRISY...! (18 Aprily 2022)
INDRAY NITETE...
TSIARO TIANA...
NIANATRA NITIA...
NISARAKA HONO…!
"LOVE" AKIA NY FO A!
VATO MIKITOANTOANA…