TSIARO TIANA... - RRAG
Azo vakiana?
TSIARO TIANA...
Andriamanitra o!
Raha misy na dia kely, azonao atao,
hamafa ny fisian'ny alahelo anaty!
Ry Tompo tia sy tiako! Alao,
tsy maninona, aleo mihitsy ho faty!
Fa efa tsy ho zakan'ny foko resy lava,
efa leo 'lay mando, ihany koa ny tava!
Andriamanitra o!
Raha misy fahatsiarovana, mitondra fery anaty,
ka azonao kosehina, tsy hanitatra ny ratra!
Dia eo mba alevony, mbamin'ny tsy tanty!
Sy irony embon-tsiaro, minia maka faka!
Fafao ry Tompo tia, ny lasam-panembonako!
Nefa na izany aza a! Koloy ny fahatsiarovako!
Aleo izay mamimamy, hijanona hitoetra!
Ireo mitondra ratra, ringano tsisy fetra!
Indrisy anefa ireny, misy tiana tsy ho voafafa!
Andriamanitra o! Aleo toy ny mahazatra!
Tsy misy hamafana, handry am-po mangina...
Fa na ratsy aza ireny, misy tsiaro tiana!
RRAG
15 Aprily 2022
Mombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 23/06/2022
Mpamangy : 20
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
IZANY VADY IZANY…EO...! (19 Janoary 2022)
IZAHO...! (25 Febroary 2022)
KOA RAHA TSY MITAPY…
INDRISY...! (18 Aprily 2022)
INDRAY NITETE...
NIANATRA NITIA...
NISARAKA HONO…!
"LOVE" AKIA NY FO A!
VATO MIKITOANTOANA…