KOA RAHA TSY MITAPY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KOA RAHA TSY MITAPY…
Ny marina fisaka ka saro-tadiavina…
Ny vava anefa, efa zatra mianiana.
Ka ny lainga hampangaina, no indro amboarina,
tsy ho taka(tra) ny sain’i Rabefanahiana.

Mitaona vahoaka hitaky fahafahana,
revo koa retsy dia manaraka ambokony!
Ny ady atao no mety hiarahana,
fa ‘zay vokatra eo, dia izy no tompony…

Mivazizotra be hoe mitaky ny rariny,
kanefa tafondro no enti-manambana...
Midongy hamerenana ny anjara taniny,
fa maika tsy hahandry izany fiadanana!

Noteren-katezerana hiadin'ny zo,
dia mitraotrao manao be fiavy...
Injao fa mitrena toa zary entim-po,
mandositra ihany vao mipoaka ny ady.

Dia aiza iretsy nitari-tolona,
no tsy hita niambana na dia ‘ndray nitopy…
Fitaovana foana, fitaovana ny olona,
Rariny ‘lay fiteny hoe: “Koa raha tsy mitapy”.
RRAG
08 Martsa 2022
--------
Rohy:
529 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0185