You are here: home > Vetso

IZAHO...! (25 Febroary 2022) - RRAG

Azo vakiana?

IZAHO...!
Tsy ilay be solaitra ilavi-pandinika
ka mety hanitsaka zava-tsy fihinana!
Fa 'lay vahoaka, kely sy bitika
finganin-kianjera am-panidinana!

Tsy ilay fatsora fetsy mpambotry vahoaka...
Tsy te hahalala ny ferin'ny hafa.
Fa 'lay mikendry izay mety, mba hahatafavoaka,
ho fitara-jinerin'ny zanaka amam-para.

Tsy ilay mifehy tenda ho tompotompoina,
iladiladiana ka hanaovan-trosa...
Fa izaho anie ka 'lay zana-borondolo miendri-ko domoina,
mba mahavotra ihany na dia olon'osa...
RRAG
25 Febroary 2022