You are here: home > Vetso

INDRAY NITETE... - RRAG

Azo vakiana?

INDRAY NITETE...
Misy lanjany tsy hain'ny fo 'ray hafatra,
ny tomany nilatsaka nentim-potoana!
Nisy sedra nandavo na tanjona tratra,
mety ho hafaliana, na endrika saona!

Tombo-kavatsa tsy hay hokosehana,
na voarango-pohy na voapeta-tondro,
ny tsiky tomany, nondesin'ny fiainana,
nanafosafo na koa nanamongo!

Ny ranomaso indray nitete,
tsy akory hadinoana!
Fomban-tsarety no mirehareha,
fa mbola ny omby no ara-potoana.
RRAG
06 Aprily 2022