TOMPON’NY TENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOMPON’NY TENY…
Tonio aloha ny fo, banjino izay tsy nety,
tsy atao mampiasa loha, raha rahom-betivety.
Hisava ihany ireny, rehefa tony tsara,
tsy hoe raha tsy miteny, dia tsy manan-ko ambara.
-
Aleo hivatravatra, hanao be fiavy,
toy ny mahazatra, tsy mba manambitamby.
Maneso sy mandatsa, manompa no hany hainy,
fa taiza tamin’ny lasa, no tsy nantsoina hoe tranainy?
-
Fa hisy tsiry vao, hitondra hazavana,
hampitony anao, satria, fela-mahatamana!
Mosoara sarobidy, famafa ranomaso,
fiaro tsara hidy, atahoran’ny mpiankaso!
-
Dia foana eo ny sento, tsy hisy koa tomany,
nefa moa, aiza ho aiza eto, raha mbola eto an-tany,
tsy hisy fahoriana, sy jalijaly kely?
Ny antsika faniriana, fa Andriamanitra, no tompon’ny teny!
RRAG
31 Martsa 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
310 4
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 03/04/2024 08:45)
Zay indray vao hita RRAG. Mahafinaritra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022