You are here: home > Vetso

NIANATRA NITIA... - RRAG

Azo vakiana?

NIANATRA NITIA...
Nianatra nitia, dia sendra ny voafila...
Naniry ny hiara-dia, toa voailika tsy nila...
Nizara izay ho mamy, nefa nigo-matsatso...
Dia ranomaso foana, nirotsa-tsy niato.

Nianatra nitia, sendra taola-mafy...
Niezaka nanaja, fa tojo mpampirafy...
Nigoka ngidim-piainana, nihevitra ho tafita...
Kinanjo ilay notiavina, efa any ampita,
nanaraka olon-kafa, toa tsy mba nihafahafa,
nandao anao irery, higogo anaty ràtra.

Sinaingy ianao niverina, nikaroka azy fatratra...
Fa hoe ilay natolony, no kanto sady lafatra...
Sendra tojo amboa, mitafy hodi-janak'ondry,
toa anao ihany, ilay niantsony tody...

Nianatra nitia, namindra voa an-kafa...
Nitsiry ka namony, voafafa teo ny lasa...
Ny anaranao nodorany, tam-pony mandramaty...
Hay ve ianao ihany e? No tena tsy nahatanty...
RRAG
22 Jona 2022