RAHA MBOLA MISY KELY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MBOLA MISY KELY...
Raha mbola misy ihany, hery enti-miady,
dia sanatriavo mihitsy, izay hilavo lefona.
Raha mbola misy fehiny, ny fatoran-tady,
dia ataovy fatomaty, ireo zatra ny mampiesona.

Fa teny ho eny izao, nisy niala bala,
trotraka efa elan'ny tolon-tsy mety vita...
Nefa ny tsy nampoiziny, tsy vitsy mpahalala,
fa 'zay miari-pery, ihany no tafita.

Raha mbola misy ihany, fahafaha-manao,
dia aza miolonolona, jereo koa ny hafa.
Fa indray andro any, mety tsy hofantatrao,
f'ireny resy ireny, ihany no hahatafa.

Raha mbola misy kely, fo afaka ny hangoraka,
dia hatsangano an-tsandry, ny lavo resim-piainana.
Fa maro tamin'irony, nijery dia nioraka,
ankehitriny izao, tsy misy hitarainana.

Nilaoza-nama-manana, fa zary ondry botry,
very ny fanahiny, ka tsisy hianteherana.
Ianao 'lay resy fahiny, sendra tia mpandrotsirotsy,
ny akany bongokelinao, no zary fanaperana.

Raha mbola misy kely, tsiky tsy lafovidy,
azonao atoraka, ho an'iretsy te hitroatra.
Dia tsarovy, fa iny tsiky iny, no fanalahidy,
ahafahany miroso, ka ahafahany mivoatra.

Dia, raha mba misy kely, teny mamy tokana,
azo ampaherezina, irony misaonam-piainana.
Dia omeo, tandremo miolonolona,
fa mbola hosendra koa, ianao fanaintainana.
Tsy sitram-panafody, fa mila teny avy aminy,
ka hotsaroany hoe, ianao, no namafa ny tomaniny.
RRAG
09 Aprily 2024
--------
Rohy:
55 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224