FITSARAM-BEHIVAVY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITSARAM-BEHIVAVY…!
Jinery mitopy mibanjina anao,
manombana maso ny lanjam-pahatsarana,
asesiny miakatra avy eny an-tongotrao,
izany tokoa ve, ilay tombam-pitsarana?

Topazany maso ny kiraro eny an-tongotra,
somary jereny ny endri-tavanao,
jinereny ny henatra hita misoritra,
na koa angamba hoe, mahamendrika anao?

Jereo anie ny fitombany ity pataloha,
toa misy fihomezana miafina izany,
tiliny kely ny satrokao eny an-doha,
dia injay izy miverina mibanjina tany.

Mety handrora na koa hanafin-tsiky,
babon’ny tazany hatramin’izay,
nefa aza manantena fa mbola tsy dify,
ilay topimasony somary mamay!

Ny fitafinao no notombanany indray,
dia arahany topy ny endri-tavanao,
rehefa tinazany ireo dia izay,
no tombam-bidy hamaritany anao.

Na izany aza aloha dia ity no tsarovy,
misy mijinery ny fanananao,
ny olon-drehetra mantsy tsy mba mitovy,
ka mety ny harena no hitiavany anao.

Na izany aza anefa misy mandinika,
mamantatra fotsiny izay toetranao,
eo indray dia ny fony no mibitsika,
saingy tanany fotsiny tsy ho fantatrao!
RRAG
17 Mey 2018
--------
Rohy:
806 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221