KAJO…! - RRAG
KAJO…!
Raha tara-masoandro tsy natao ho anao,
aleo izy ao,
hitaratra ny hafa sy hitsilo azy ireny,
fa aza miteny!
Aiza moa izany no hisy fitia mora tefena,
fa toa tsy hita eny an-tsena?
Kajo eo ianao raha hitady hafaliana,
nefa ilavitra tiana.
Raha hazavan’ny kintana tsy hahataratra fo,
aleo any aloha,
satria tokoa manko ny fitia tena izy,
dia sori-tsafidy!
Firifiry izany no afaka hahatsapa ny ferin’ny lasa,
izay namela ràtra?
Moa tsy ho kajo izy ireny hitadin’ny rariny,
izay tsy hisy valiny?
Kajo ny aina, torovana loatra ny aty fanahy,
nefa saingy tsy sahy!
Ity fo hampitony ny vesa-donilony,
noheveriny ho zony!
Kajo ny tena toa valaky ny ady,
ka resy sahady!
tsy manana aina enti-mitraotra,
fa reraka loatra!
Kajo ny fo tambesaran’ny lasa taloha,
izay nikiry nifoha!
toa tsy hahatanty intsony ny tamberin-tsiaro,
sento mifangaro!
Kajo daholo ny vatana miaina,
ka voa koa ny saina!
Dia milavo lefona tsy hahavita ny kasa,
toy irony lasa!
RRAG
05 Oktobra 2018
Dikan-teny: Kajo = Reraka, valaka, …
Mombamomba
Mpanoratra : RRAG

Nampiditra : RRAG
Daty : 05/10/2018
Mpamangy : 180
Mankafy : 0
Ankafizo
Tononkalo hafa
HANDEHA IZANY IANAO O?RY TAONA HO AVY IRY… !
TIA AHY HONO IZY…
RY ‘LAY TSY TIA…
HEVERO…
FITIA KISENDRASENDRA…
RAHA MBOLA FITIA…
IANAO SY NY LASAKO…
ZANAKA…
ILAY TSY SASATRA…