You are here: home > Vetso

MITADY ANARAN-JAZA... - RRAG

MITADY ANARAN-JAZA...
Vao nitera-bavy hono ireo mpivady, naniry dimby mafy,
Dia niezaka nikaroka anarana, toa hoe atao anaran-gasy,
Ka niezaka nikaroka, anarana mahasoa an'ity tolo-janahary,
Nanambatra litera, nandanindany lera, hoe maninona raha i Hary?

Hary satria aina, sombiny hiaretana, hifoazana maraina,
Hary satria tonga, sady toa dongadonga, sy toa miramiran-tsaina,
Hary satria toa, vavimatoa, voalohany sy zokiny,
Ka hoafaka hanajary, hameha ireo zandry, 'zay andriny sy ho tokony.

Sa kosa ho i Bako, rafitra mamatotra, fitia tsy hizarazara,
Zazavavy hamehy, ny fitiavana madio, ho paradisa tsara,
Fefin'ny fiainana, hahafahana mibanjina, ny hoavy holalovana,
Vala-panaperana, afaka hitahiry, ny ivom-pahatsiarovana.

Nefa hoy rangahy, toa mba tiako koa, izany hoe Mioty,
Anarana miavaka, manana ny anjarany, anaty rotsirotsy,
Mioty izay nafafy, mitango izay nandreraka, nisasarany ela,
Hioty fahasambarana, hery hahafaha-mitraka, raha sendra mianjera.

Fa koa anie tsy ratsy e! Raha toa ka i Kanto, no hosafidiana,
Meva ery mantsy, ny endriny sariaka, satria koa nirina,
Kanto sy miavaka anivon-javaboahary, maro tsy hita hisaina,
Kanto sady meva, vonin-draozy soa, izato sombin'ny aina.
RRAG
02-02-2018

Hametraka hevitra

Midira aloha