NAMANA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAMANA...
Sarotsarotra ny hamaritra, ny rehetra tiany ambara,
teny tsotra anefa no ivony, dia 'lay famaritra tantara,
dinga-niarahana nandalo, na nifanoseham-po,
ny fijery tsy mitovy, fa ny kinendry dia ny hahasoa.

Namana!
Teny tokana mamaritra, endri-pitia hafa loko,
fanehoana hafaliana, fizarana ireo toloko,
toa anarana mifehy, fifamatorana tsy hay,
finamanana irina, haharitra mandrakizay!

Namana!
'lay miteny tsy miankolaka, saingy mihevitra ny ambara,
mahafantatra ny ratsy, sy mahay manavaka ny tsara,
ilay andry hitokiana, sy hitokisana eny foana,
fitiavana tsy manam-petra, ka hoe voafafan'ny fotoana.

Namana!
Fehin-teny tokana ihany, saingy manan-danja loatra,
satry foana hotanisaina, ka hanaovana ampamoaka,
satria tokoa fitia madio, tsy misy pentina na kely,
ny finamanana fitia, tsy mba sarona-misitery!
RRAG
24 Aogositra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
911 1
Mpakafy: jonathankendjy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211