TSILON-DRAOZY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSILON-DRAOZY…
Firifiry tamintsika, no nahatohitra hadalana?
Firifiry koa izany, no sahy nilaza fa tamana?
Raha lala-nodiavina, tomefy sedra tsy hay tohaina,
dia ho firy koa moa, no mbola hanana hantenaina?
Ny raozy ve tsy tsara bika, kanto meva tahak’izany,
fa firifiry tamin’ireny, no tsy nalazo teny ihany?
Izy aza toa mba miaro, miezaka mitroatra foana,
ka ny tsilony no nanalava, nampitombo ny fotoana!

Ny fiainana eto an-tany, setrasetra tsisy fetra,
lalana lalovany io, ka hizoran’ny rehetra,
tsy maintsy misy ranomaso, mety ho anaty fijaliana,
nefa koa ho eo ny tsiky, handravaka ny fifaliana.
Koa firifiry tamintsika, no nilavo fa tsy nahazaka?
Firifiry moa izany, no mba niezaka nitraka?
Tsy nitanondrikondrika, fa nanana ny herin-tsaina,
hoe mbola hisy ny mazava, hoentin’ny andro vao maraina.

Toy ny tsilon-draozy, ilay feno fahavononana,
miaro ny isan’ny fananany, ao anaty ny tokonana,
ny fitiavana ao am-po, ilay maneho ny ahiahy,
saro-piaro amin’ny tiany, eny hatramin’ny fanahy.
Toy izany koa ny saina, rehefa sendra tebiteby,
mitady olo-mahatoky, hinoana tsy hirediredy,
ka hamboraka ny resaka, ilay atao tsiambaratelo,
tsilon-draozy avokoa, ny anjara andraikitr’izy ireo!
RRAG
14 Mey 2018
--------
Rohy:
826 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214