Any ho any (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ho any misy embona
Mila tsy aha-tafatombina
Fa manempotra toa entona
Sy maha-lasalasa amborona.

Any ho any misy tsiahy
Manangoly 'zany fony
Mamelovelo ny fanahy
Mivezivezy tsy mitony.

Any ho any koa misy
Feo te hikiaka mafy hoe
Tiako izy, saingy indrisy
Lavitra ny masoko e!

Any ho any misy fo
Mbola miandry ny maraina
Hahatanteraka tokoa
Ilay nofy nantenaina.
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1219 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : Tojoavotra
Daty : 12/01/2014 14:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148