Tsy nahiko (Tojo Rta Avotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nahiko ny hijery
Ny masonao mamiratra
Fa toa misy hery
Misintona ahy hitsopelatra

Tsy nahiko ny hibanjina
Ny tavanao mirana
Fa toa misy haingo miandrina
Mivonim-boahirana.

Tsy nahiko ny andinika
Ny tsangananao miorirana
Fa ny aiko efa am-bivitra
Ka naleoko nanongilana.

Tsy nahiko ny handositra
Sy niafina ny tavanao
Fa ny atiko nihovitra
Ka dia naleoko aloha nandao

Tsy nahiko iany koa
Ny hanoratra ity
Fa noho ilay aingam-po
Nikonon-konona fitia...
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1083 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tojo Rta Avotra
Nampiditra : Tojoavotra
Daty : 12/01/2014 14:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139