Alina Mangina (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ alina mangina, mitondra fitoniana
Ahitako hafaliana, alahelo fitomaniana
Alina miserana nefa dia mamiratra
Alim-pisainana, hanafenako ny ratra !

_ ny volana mibaliaka manazava ahy
Ny kintana mamiratra, mamerina ny tsiahy
Ny foko koa mitempo, maniry ny hahalala
Ny tena ho an'ny Tena, ny tena ho anjara

_ Ry alina mangina, nampitondra ny fisainana
Ry alina miserana, izay ataoko fitarainana
Ry kintana mamiratra, manome fanantenana
...

_ Ry alin'ny tontolo, tsy hitahita tsy azo afenina
Fa alina mandalo nefa mitondra fahanginana
iriako hitoetra anilako nefa toa miserana
--------
Rohy:
1194 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0658