Anaro aho (Vetso mena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_ raha ny toetrako sy ny fombako
No tsy mba tianao ry tiako
Mba miangavy Aminao
Anaro aho mba ho tianao
_ za ange tena tia anao iny
Fa ianao no nanda tamin'iny
Tsy haiko ny fomba hilazana izany
Fa mba anaro dieny androany
_ inona loatra no antony nialanao tamiko
Tsy fantatro hoe nahoana fa very ny hafaliko
Mba anaro aho hiova sy handao ireny lasa
Ka ho lasa fitia vaovao, hanorenana ny kinasa
_ anaro aho hiova anaro amin'ny tsy mety nataoko
Satria ianao efa tiako kanefa lasa fahadisoko
Lay fandaozanao tampoka, tsy fantatro ny antony izany
Iangaviako aminao, anaro aho ka iverina indray androany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1014 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144