Hampiditra sary Nampiditra : masofahatelo
Daty : 02/01/2008 13:45
Nijery : 1813
Tononkalo: 10 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

masofahatelo

[[color=red]size=13px]marary[/size][/color]
tsy ny tazo ihany akory
no antsoina hoe aretina
fa na ny sainao matory
io aza dia efa aretina

ny tany marary
ny olondrehetra tsy mahalala
moa mba alaivo sary
ireto gasy mifankahala

ny tsy hita soritra
dia maro tsy hay ho tanisaina
ny malagasy rehetra tototra
efa malemy hatrany an-tsaina!

izaho milaza aza ry namana
dia marary ihany koa
ka ny afaka mandray an-tanana
dia ny ray an-tampon'ny loha!

masofahatelo
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/masofahatelo
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany
masofahatelo ( 13/08/2008 14:43)
mahafinaritra fa tohizo e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014