FIRARIAN-TSOAKO HO ANAO (AbouNusrayni)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIRARIAN-TSOAKO HO ANAO

Ho lavitry ny ankaso;
Hisitahan’ny hakiviana;
Tsy mba - ho voakaikitry
ny amboa kely tiana.

Tsy ho tra-kenamaso ;
Fa hahazo izay iriana;
Tena zary ho fitaratry
Ny fianakaviana.

Tsy ho tojo andraso andraso;
Na hivadihan’ny nitokiana;
Sanatria tsy ho sasatry
ny zava-mahakiriana.

Ho feo manga tsara vazo;
Henoina hariva mahasondriana;
Ho maodely mba fianatry
Ny zandry any aoriana.

Ho ravin-tsy mba malazo;
Ho mpizara hafaliana;
Ho hazavana iray tomaratry
N’ fitia feno hamamiana.

Zoky Habib
17_01_20
--------
Rohy:
840 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149