ZAITRA FIFALIANA (AbouNusrayni)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZAITRA FIFALIANA1.Ny hakanton’ny natiora sy tontolo maro loko,
Ahitan’hatsaran’endrika mambabo izany foko,
No mahatonga ireo zaitrako tsy misy mainty loatra;
Raha tsy miovaova loko koa ny saiko tsy mivoatra.
2.Tsy hoe tsy manao mihitsy fa izaho no tsy mazoto;
Ela vita rahateo ny zaitrako fa tsy miroto;
Andro maro ve hijery mainty foana tsy hanoaka;
Raha vao io no ilainao maro tena tsy mba tafavoaka.
3.Sady rehefa rava miasa na oikendy (*) vao mitoko;
Rehefa reraky ny asa ny hakamoana koa misoko;
Ts’ zarako aza be kaomandy ka ny vola indray mandraoka;
Ny ankamaroany anefa laviko na be ny misafaoka.
4.Raha vao miala ny efa haiko koa izaho tsy mahakolo;
Ny zaitra manko ny ahy fifaliana manontolo;
Raha vao hanahirana ahy, tsy manao aho ranaotra;
Na ho lazaina hoe miavona, tsy olana, misaotra!
5.Fa misy tena tsy idirako, fa amiko, io mamono (**),
Ny zaitra saron-tava, dia ambarako, tsy hono.
Ny mpanao zava-kanto tsy mba tia ny mampitsoaka;
Fa natao hizara zavatr’ isarihana (***da’wa) vahoaka.
(*) oikendy = week-end
(**) Mamono ny fiaraha-monina = yaqtouloul’oukhouwat
(***) da’wa = fandresena lahatra olona ho liana amin’ny finoana Fahalemana (=Islam)
Abou Nusrayni al-Malagasi
27_01_20
Asaina ianao hijery ny kaonty facebook #Habib_Abou_Nusrayni
ka ao anaty album #Akanjo_Abou_Nusrayni_Fampirantiana daholo ireo zaitra kanto efa noforoniko.
--------
Lien: