vavaka (Aloky Ny Sento )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo oooo,Lasa tsy manam-po mangoraka aho
Nanjary tsy mena-mandray vato dia mitoraka aho
Nanjary manipy mitsinjara ny hasosorako aho
Tsy mitsahatra mandatsa anaty asa soratro aho
Manampatra ny ditran'ny penin-tsy voafolako aho
Tsy fidiny ho ahy fa mba miezaka mamaha irery ny fatorako aho
Inoako fa tsy ataonao nandritra fahatany ny dinitro sy ny rorako nahakotsa ny takolako aho
Tompo oooo, hanangano dabam-pako hanariako ny olako aho
Dia aza avelanao hitsapatsapa ny lavenona navelan'ny bokin'ny lasa efa nodorako aho
Dia avereno ho fo nofo fa tsy vato ka hahay hangoraka aho
Tatoato manko badenina mipenimpenina mitady hoe iza dia aiza no hiantoraka aho
#ANS_poetictext2020
#slampoesie
#comeback
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
300 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Aloky Ny Sento
Inséré par : sarobidy.ans
Date : 08/02/2025 18:50
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115