Miandry foana ... (Andriamihaja Johan (H-mainty))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miandry foana...

Raha ho lasa ianao
Ka handao ilay ankany
Andeha hifindra fo vaovao
Hanorin-dasy any ho any

tsy mba azoko nontanana
fa avy hatrany dia nandao
tsy mba azoko sakanana
f’efa izay no hevitrao

raha toy ka izay no mety
sy tsapanao fa ahasoa
dia aleo aho hangina vetivety
sy hitanondrika ao ampo

aleo aho hiondrika hitomany
hiaina fiainana mahantra
ny lalanao no izory hatrany
f’avelao aho haratra

fa raha sendra leo any ianao
ka mahatsiaro ahy indray
ny tadidio dia izao
ny foko anao mandrakizay

tsy niova tsy nandao
f’efa voafatotrao
ka raha manina ahy avia
fa miandry anao ilay fitia

A.L.J
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2686 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011