ANDRAMO ka ZAHAO! (ANDRINIAINA1)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andramo ka zahao!Andramo tokoa ka zahao;
Eo anivon'ny fiainanao.
"Fa tsara tokoa ngeh Andriamanitra"
Ry mpanompo mbola miahotra.
Andramo tokoa ka zahao;
Fa ho hitanao sy tsapanao:
Fa IZY Tompo tsy mandao;
Ary eo foana, miaraka aminao.
Andramo tokoa ka fantaro;
Fa IZY Tompo dia miaro:
Ireo zay miankina sy mialoka AMINY,
Ka mitso-drano ny taranany!
Andramo tokoa ka jereo,
Amin'ny zavatra rehetra miseho:
Fa rehefa ny Tompo no mitahy;
Dia resy avokoa ny ahiahy.
Dia aza malain-kino,
Na moramora manadino:
Ny fitiavana sy famonjen'ny Tompo anao,
Isan'andro vaky izao.
Koa andramo ka zahao;
Ary torio sy tantarao:
Amin'ny olona rehetra,
Ny famindrampony tsisy fetra.
Andramo ka zahao
Ambarao sy lazao:
"Fa tsara ny manompo;
Mankalaza an'IZY Tompo!"
Andramo ka zahao;
Ary iaino @ fiainanao,
Fa tsara Jehovah,
Tsara Andriamanitra!
ANDRINIAINA1.
--------
Lien:
Catégorie :
Fampaherezana