ANDRIAMANITRA AVO! (ANDRINIAINA1)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra avo!

N'inoninona manoloana:
Andriamanitra eo foana.
Fa isika olombelona no malain-kino;
Ka mahavita manadinodino.

Na oviana koa fotoana:
Andriamanitra eo foana.
Fa isika olombelona no be siasia;
Mivily làlana minia.

N'aiza naiza hisy antsika:
Andriamanitra miaraka amintsika.
Fa isika olombelona no misalasala;
Ka minia tsy te hahalala.

N'inoninona zava-misy ry havana:
Andriamanitra dia "fitiavana."
Andriamanitra dia mpamindra fo;
Andriamanitra mpanao ny soa.

Izy ilay Andriamanitra Ray:
Maharitra mandrakizay.
Mahavita, mahefa, mahay tsy misy fetra.
Aina mamelona ny zavatra rehetra.

Minoà AZY,
Tiavà AZY :
Amin'ny fonao rehetra,
Amin'ny sainao rehetra,
Amin'ny fanahinao rehetra.
Fa izany no ankasitrahany.

Tsy misy natao hahavita tena:
Raha mbola ny eto an-tany no jerena.
Tsy maitsy mila ny hafa.
Tsy maitsy mila an'Andriamanitra: ny olombelona.

Andriniaina1.
--------
Rohy:
3315 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRINIAINA1
Nampiditra : ANDRINIAINA1
Daty : 12/10/2014 17:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141