HO MANDRAKIZAY ANIE (ANJARIVO Ronsard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rivo-malefaka ….tsara fitsioka
Atosiky ny onja …kanto fitopa
Ravahin’ny kinta-mamiratra ambony
Sy irony tara-diavolana tony
Maha-manimanina ny any aminao
Mamohafoha ireo dina natao!

Iroa habakabaka somambisamby
Injany ny feom-borokely manamby
Andian’arosy mamonjy fodina
Meva filatro toa mahasodriana
Mandritsoka ny ati-panahy te hikika:
“ho mandrakizay anie ny fitiavan-tsika”

RONSARD
--------
Rohy:
1575 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099