NY FANANTENAKO ANATY NY SAROTRA (ANJARIVO Ronsard)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarotsarotra ny eritreritro voasoritsoritro ho saritsari-pahasambaran-tsy ho lany
Raha hiofo paradisa ity tany
Tany dibo-pahoriana
Tany difitr’akiviana
Tany safo-dranomaso
Tany rakotry ny ankaso
Mbola ho nofinofy koa
Ireo rofirofi-pahantrana
Raha hivadi-batosoa
Ka ho foana ny hadalana
Eto Manankasitsara
Nosy mamiko malala
Tany fefik’afetsena
Tany vitsy fahendrena
Tany voki-ndrisoriso
Tany enik’evi-diso
Zaho anefa manantena
Mbola hisy fandresena
Any ankoatran-drahona any
Ho an’ireo izay mankamamy
Miaradalana amin’ny Tompo
Manana fanahy manompo
Efa tsinjoko sahady
Izany tonitonin-tsaina
Rehefa mby ambavahady
Vavahadin’ny maraina
Vavahadin’ny naharitra
Vavahady ao an-danitra!
Amin’izay vao tena ho azoko
Ny valin-katsebohako
Nanondrahako ny taniko
Amin’izay vao tena ho to
Ny valin-kafanam-po
Nanompoana ny Tsitoha
Any ho foana sy ho dila
Fitsarana mitanila,
Soa sy ratsy mifangaro
Amin’io ho habaribary
Ary haseho ankarihary
Ireo tsiambaratelo maro!
Amen!
RONSARD
--------
Lien: