TSY ANJARAKO (ANJARIVO Ronsard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niofo teo ny lokon-danitr'ilay fitiavantsika
Tonga maloka sy maizina ilay andro nibaliaka
E,nihelina toa zavona ny ahakantony hanik'eo
dify teo ireo fifaliana fa toloko sisa teo

Aiza irony takariva, tsara ravaka fitia ?
Aiza irony toky maro, lokaloka ny ho doria?
Teo imolotra ihany ireny; sarintsarim-pahasambarana
Rehef'injay fa tojo memy; tsisy azoko notanana!!

Nofinofy angamba sisa no hiombonam-pitoviana
Fa ny lalam-piainatsika tsy hitambatra rahoviana
Koa veloma sy masina, iny olon-tsy anjarako
Fehezo anatinao mangina,ireo diary sy tantarako!

ANJARIVO Ronsard
12 May 2013
--------
Rohy:
2934 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142